samedi 10 décembre 2011

Fanamboarana flan

Hitantsika matetika any amin’ny mpivarotra hani-masaka ilay karazana sakafo hoe flan

Miendrika mofomamy boribory izy ireny ary mahatratra 500 Ar hatramin’ny 2 000Ar ny silaka telozoro iray. Misy lafarinina sy taharo hafa ny fanamboarana azy ireny.

Ny flan mahazatra dia mampiasa lafarinina,
toy ity flan patissier traditionnel (Marmiton.org)

Kanefa, raha ny fahalalako izany flan izany hatramin’ny fahazazako an, dia vitan’ny ronono sy atody, miampy siramamy fotsiny, fa tsy mba misy izany lafarinina izany.

Ireo zavatra ilaina

Ronono 1 litatra

Atody akoho 6

Siramamy 100gr eo ho eo

Ny fandrahoana moa dia azo ampiasana cocotte-minute na lafaoro. Vilia jobo no atao lasitra an.





Fanaovana caramel

Tsara vitainao aloha ny caramel vao manomana ny flan. Mila fotoana ihany manko io raha mampiasa siramamy atsonika ianao. Ataovy ao anaty lasitra –mahazaka afo- ny siramamy sahabo eo amin’ny in-3 na in-4 ny sotro fihinanam-bary. Ataingeno eo ambony afo malefaka, dia rehefa manomboka mivolon-tany mandroatra kely iny ilay siramamy, dia atongilano tsikelikely mba hanemitra ny lasitra. Mitandrema tsara tsy ho may an !

Fanamboarana ny flan

Ampangotrahina ny ronono, afaka asiana lavanila ao anatiny. Afangaroy anaty vilia jobo (hafa noho ny lasitra an) ny atody sy ny siramamy, kapohy maharitra mba hifangaro tsara. Rehefa mangotraka ny ronono dia arotsahy tsikelikely ao, sady kapohy hatrany, mba tena hifangaro manontolo.

Azonao atao koa ny mandrotsaka ny siramamy ao anaty ronono fa tsy amin’ny atody an.

Rehefa vita miharo tsara ireo, dia arotsahy ao anatin’ilay lasitra efa voatemitra caramel.

Amin’ny cocotte-minute dia atao bain-marie, izany hoe asiana rano eo amin’ny 1/2 litatra hatramin’ny 1litatra ao anaty vilany. Rehefa mafana io rano io, dia apetraho ao anaty vilany ilay lasitra misy flan. Hidio ny cocotte-minute ka manomboka eo amin’ny fisiahan’ny soupape dia andrahoy 15 minitra, hatramin’ny 30 minitra.

Rehefa masaka ny flan, dia ampangatsiahana, ary mialoha ny hihinana azy dia ahohoka ao anaty lovia lalina : mitsonika manko ny caramel ka mila tatazana.
Toy izao ny flan rehefa avoaka, matsiro an !

Fanamarihana : rehefa asianao caramel ny lasitra dia tsara kokoa raha bain-marie no fahandro ny flan, na cocotte-minute na lafaoro. Ankoatr’izay, andraso tena mangatsiaka ny flan vao ahohoka, dia afaka ataonao ao anaty vata fampangatsiahana (frigo) izy vao hohanina.

Raha tianao ny mamantatra bebe kokoa momba ny flan, dia ATO jerena. Afaka mijery manontolo ny fanamboarana flan au caramel koa ianao ATO.

Mirary soa ho anao, mazotoa homana an :-)

Aucun commentaire: